Fomba fampidirana takelaka

Azo atao eo amin'ny pejy fandraisana avy hatrany ny fomba fampidirana takelaka.

  • Tonga dia ampidiro fotsiny ny adiresy izay tsy maintsy miatomboka amin'ny http:// dia tsindrio ny bouton OK
  • Rehefa avy eo dia mety hangataka solonanarana sy tenimiafina serasera.org izy. Raha tsy manana ianao dia afaka misoratra anarana ao amin'ny http://login.serasera.org 
  • Rehefa avy eo dia hiseho ny mombamomba ny takelaka ka azonao ovaina sy ahitsy.
  • Fenoy tsara ny teny famaritana izay entinao hamaritana ny takelaka, saraho amin'ny faingo
  • Dia avy eo tehirizo.

Hiseho avy hatrany eo amin'ny lisitra ny takelaka nampidirinao.

Teny famaritana amin'ny teny frantsay na anglisy

Teny malagasy no teny fototra eto amin'ity takelaka ity, azo vangiana amin'ny teny Frantsay sy teny Anglisy koa anefa ity takelaka ity. Raha tianao hiseho amin'ny teny anglisy ny teny famaritana na ny lohatenin'ny takelakao dia mandehana fotsiny ao amin'ny teny anglisy dia ahitsio. Isaky ny hamangy ny takelaka amin'ny teny anglisy ny olona dia ny fanitsiana napetrakao no dikanteny ho hita ao.